Genève Grandeur Nature - Madagasikara

27.12.2023 18h30
Genève Grandeur Nature - Madagasikara
Efa am-polotaonany maro no nisian'ny fifandraisan'ny Jardin botanique ny Genève sy ny alan'ny Madagasikara. Ankoatry ny asa fikarohana ara-tsiansa, dia tetik'asam-piarovana ny tontolo iainana maro no efa notanterahana mahakasika ireo bongo any avaratry ny nosy, vokatry ny fiaraha-miasa ara-pirahalahiana matotra nisy teo amin'ny Docteur Louis Nusbaumer sy Patrick Ranirison.

Ny tetik'asa andàlam-panatanterahana ankehitrio, dia ny fizahana ny bongo Sorata, izay mbola vitsy ny asa fikarohana natao tao. Patrick sy Louis dia manara-maso sy manampy ireo mpianatra mpikaroka Suisses sy Malagasy, manao asa fikarohana anaty ala mandritry ny 3 volana. Fakana santionan-java-maniry, fanaovana saritany, fandrefesana hazo sy atiala, ny tanjona dia ny ahazoana fahalalana bebekokoa ny zava-maniry ao Sorata mba hanamafisana ny asa fiarovana azy.

Ity asa fidinana ifotony aty Sorata ity dia mitovy amin'ireo tetik'asa fiarovana ny tontolo iainana hafa izay niarahana amin'ny CJB. Roapolo taona lasa izay, ny asa fikarohana nataon'i Louis sy Patrick dia nitera-boka-tsoa nahafahana nametraka ny valan-java-boaharin'i Loky-Manambato, izay manankarena biby sy zava-maniry tsy manam-paharoa.

Ho faranan-tsika amin'ny fitsidihana ny valan-java-boahary Ampasindava, izay vondron'olona ifotony no misehatra mivantana amin'ny asa fikobabiana. Ny fikambanana Famelona, natsangan'i Patrick sy ireo mpiray dia aminy, folo taona lasa izay, no manao tantsoroka ho amin'ny fampivoarana ara-tsosialy sy toe-karena ho an'io faritra io ary ho fanajana ny tontolo iainana ihany koa.